Malagasy Bible

1 Mpanjaka 15:5-19 Malagasy Bible (MG1865)

5. satria Davida nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ka tsy nivily niala tamin'izay nandidiany azy tamin'ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin'i Oria Hetita ihany.

6. Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin'ny andro rehetra niainany.

7. Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ? Ary niady Abia sy Jeroboama

8. Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.

9. Ary tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Asa tamin'ny Joda.

10. Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.

11. Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah toy ny nataon'i Davida rainy.

12. Fa nesoriny tamin'ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.

13. Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.

14. Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason'i Jehovah ny fon'i Asa tamin'ny andro rehetra niainany.

15. Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.

16. Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.

17. Ary Basa, mpanjakan'ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an'i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda.

18. Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan'ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin'i Beni-hadada, zanak'i Tabrimona, zanak'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:

19. Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko.