Malagasy Bible

1 Mpanjaka 15:4-10 Malagasy Bible (MG1865)

4. Nefa noho ny amin'i Davida dia nomen'i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an'i Jerosalema Izy,

5. satria Davida nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ka tsy nivily niala tamin'izay nandidiany azy tamin'ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin'i Oria Hetita ihany.

6. Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin'ny andro rehetra niainany.

7. Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ? Ary niady Abia sy Jeroboama

8. Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-TanĂ nan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.

9. Ary tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Asa tamin'ny Joda.

10. Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.