Malagasy Bible

1 Mpanjaka 15:24-31 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.

25. Ary Nadaba, zanak'i Jeroboama, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.

26. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan-drainy sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.

27. Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona fahizay).

28. Ary Basa nahafaty azy tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.

29. Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an'i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony,

30. noho ny fahotana nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin'izay nataony nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

31. Ary ny tantaran'i Nadaba sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?