Malagasy Bible

1 Mpanjaka 1:39-51 Malagasy Bible (MG1865)

39. Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!

40. Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.

41. Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?

42. Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.

43. Fa Jonatana niteny ka nanao tamin'i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an'i Solomona tokoa ho mpanjaka.

44. Ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny mpanjaka izy.

45. Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.

46. Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana.

47. Ary dia tonga koa ny mpanompon'ny mpanjaka hisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon'Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka

48. ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako androany, sady hitan'ny masoko koa izany.

49. Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain'i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin'izay nalehany avy izy rehetra.

50. Ary Adonia koa natahotra an'i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.

51. Ary nambara tamin'i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra.